France : Hitarika i Emmanuel Macron sy i Marine Le Pen amin’ny fihodinana voalohany
Nisy « sondage en ligne » ho an’ny fifidianana filoham-pirenana 2022 tao France nanomboka ny 27 aogosita hatramin’ny 30 aogositra teo. Olona 1 320 tamin’ny mponina français 18 taona noho mihoatra no natao santionany tamin’izany. 1083 amin’ireo no misoratra ao amin’ny lisi-pifidianana raha ny tatitra nataon’ny BfmTV.
Naneho ny valin’io barometra fa Emmanuel Macron sy i Marine Le Pen no hitarika amin’ny fihodinana voalohany. 24% no antontan’isa azon’i Emmanuel Macron ary 23% kosa ny an’i Marine Le Pen raha milatsaka i Xavier Bertrand. 30% kosa ny an’i Emmanuel Macron ary 26% ny an’i Marine Le Pen raha Eric Ciotti no mirotsaka.
Nahita ihany koa ity fanadihadiana ity raha ny fanazavana fa hioatra an’i Marine Le Pen eo amin’ny 55% eo foana ity filoha ankehitriny ity. Efa hatramin’ny volana jona mantsy no tsy niova io taha io.
