SportTsidika

Fitokanana ny Kianjan’i Barea: ho tapaka ny lalana manodidina an’i Mahamasina

Ny Alakamisy 02 Septambra ho avy izao  no voalaza fa andro itokanana amin’ny fomba ofisialy ny kianjan’i Barea. Izy io izay sady lanonam-pitokanana no hisian’ny lalao hifanandrinan’ny ekipam-pirenena Malagasy Barea sy ny ekipan’i Benin. Marihina entoana fa maimaimpoana ny fidirana amin’izany lanonam-pitokanana izany.

« Efa matipaika ny lamina, ary maro ireo fepetra noraisin’ny mpitandro ny filaminana ho fitandroana ny filaminana sy ho fiharovana ny olona hanatrika izany lanonana izany sy ny fananam-bahoaka ihany koa » raha ny voalazan’ireo eo anivon’ny EMMO/NAT.

Hanomboka amin’ny 10 ora ny fisokafan’ny vavahady ary amin’ny 3ora lanonam-pitokanana iarahana amin’ireo mpanakanto maro samy hafa, ary amin’ny 7 ora ariva ny lalao ifanandrinan’ny ekipa roa tonta. Misy ny fandaminana tsy maintsy napetrak’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy, ny fahatapahan’ny lalana mihazo sy manodidina ny Mahamasina no anisan’ireo tena noavohitr’ireo tompon’andraikitry ny CUA. Ny lalana mandalo ny ivon-toern’ny kolontsaina sy ny fanatanjahan-tena (Palais de sport) sy izay mihazo ny manoloana ny kianja sy mandalo ny komisarian’ny polisy eo amin’ny boriboritany faha efatra, ny lalana mihazo ny kolejy Masina Misely ary ny lalana mandalo ny Institution Sainte Famille dia tsy ho azon’ny fiara ampiasaina amin’io tontolo andro io.

Miova arak’izany ny lalan’ny fiara  sy taksibe izay mikasa ny hiazo an’ny Mahamasina ary misokajy tahak’izao izany: ho an’ireo taksibe miainga ao Tsimbazaza hiazo an’Analakely dia mandray avy hatrany ny lalana Georges Andriamanantena, midina Soanierana, miodina any amin’ny lalana Ranaivo Jules; mihazo ny lalana Titsy ary mandalo an’Ambohidahy. Anisan’ireo fepetra noraisina ihany koa ny fanafoanana ny fiantsonana eo amin’ny Polisy Mahamasina hoa n’ireo zotra: 119, 143, 146, 147, 178 ary 193, mihodina any amin’ny lalana Ranaivo Titsy ary mandalo an’Ambohidahy. Ho an’ireo zotra 134 sy 190 kosa, izay hiakatra hihazo an’Andohalo dia mandray ny lalana mahazatra ihany saingy mifarana eo Andohalo.

Ho hentitra ny mpitandron’ny filaminana amin’io andron’ny 02 Septambra io ary aoka ny olom-pirenena isan-tsokajiny mba samy hanaraka sy hanaja ireo lamina efa napetraka mialoha mba hisoroana ireo fahasorenana maro samy hafa.

Fanja Rakotoarisoa

Laisser un commentaire