ActualitésTsidika

Nanome fanampiana ireo mponina any Atsimo ny Governemanta Amerikanina

Mitohy vakana ny fanampiana ireo olona iharan’ny tsy fanjarian-tsakafo any Atsimo. Maro tokoa mantsy ireo fianakaviana mpiray tanindrazana mbola hiaran’izany kere izany.

Izany indrindra no namatsian’ny Governemanta Amerikanina amin’ny alalan’ny Masoivohony miasa eto Madagasikara kontenera « HDR » miisa telo na ny hoe « Humanitarian Daily Ration » ny sampan regionale’ny BNGRC ao Ambovombe. Ny HDR izay fantatra fa sakafo efa voaomana anaty fonosana, ary ampy iray andro ho an’ny olona iray anefa raha ilaina dia azo afangaro na ohanina miaraka amin’ny sakafo hafa mahazatra. « Mihoatra ny 2 200 kcal ny hery azo avy amin’ny fihinana fonosana iray »,hoy i Dr Jules, « nutritoniste ».

« Natokana ho an’ny olona ianjadian’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarozaka ao Atsimon’ny Madagasikara izao fanampiana ara-tsakafo izao, ary santatra ambavarano ihany iny fa mbola misy 15 kontenera ao amin’ny seranan-tsambon’ny Taolagnaro » raha ny fanazavana nomen’ireo tompon’andraikitrina miasa ao amin’ny Masoivoho Amerikanina.

« Vinavinaina ho HDR miisa 7 isaky ny tokan-trano iray no ho zaraina » araky ny fanampim-baovao nomen’ny teo anivon’ny BNGRC, izay misahana ny lafin’ny fandrindrana.

Hita sy tsapa atreto fa mbola fanampiana avy any ivelany no hahafahana manampy betsaka ireo olona tratrin’ny kere any Atsimo, tokony hametraka paikady sy lamina ary vina maharitra ihany anefa izy ireo fa tsy miantehatra lava amin’ny fanampiana avy any ivelany.

Fanja Rakotoarisoa

Laisser un commentaire