SocialTatitra

Chine : Mahatratra amina miliara ireo mampiasa Internet ao an-toerana

Voalohany teo amin’ny tantaran’i Chine ity fihoaran’ny mpampiasa Internet amina miliara ity. Mihamiakatra ihany koa ny mampiasa finday avo lenta na “smartphone” ao an-toerana noho ny fanovana nomerika ny ankahamaron’ireo tolotra sy ny fivoaran’ny fotodrafitr’asa eo amin’ny lafiny fiseraserana raha ny valin’ny fikarohana nataon’ny CNNIC (Centre chinois d’information sur l’internet) ny zoma teo.

Efa atao amin’ny fampitain-davitra avokoa ny ankahamaroan’ireo asa fanao amin’ny fiainana an-davan’andro ao amin’ny firenena hoy izy ireo, ny fandoavana vidin’ny jiro sy angovo, ny « livraison », ny varotra hatramin’ny fizahana toe-pahasalamana. Niakatra 21,75 tapitrisa ireo mpampiasa Internet ireo tao anatin’ny enim-bola raha ny fanazavana ka mahatratra 1,101 miliara izany ankehitriny.

Laisser un commentaire