France : Namoaka ny lisitry ny ekipa Français hiatrika ny Coupe du monde i Didier Deschamps
Mitazona ny toerana maha mpifantina azy hatramin’ny Coupe du Monde ao Qatar amin’ny 2022 i Didier Deschamps mba hanarenana ny fahafaham-baraka tamin’ny lalao Euro. Tsiahivina fa raraka teo amin’ny lalao am-pahavalon-dalàna nifanandrenany tamin’ny Suisse izy ireo.
Hiatrika lalao telo ny klioba manomboka ny volana septambra izao, lalao efa mamaritra ny fiatrehana ny fifanitsanana amin’io lalao hiadiana ny tompon-daka eran-tany io izany. Ny 1 septambra izao ny voalohany ao Strasbourg ao Meinau izay andraisany an’i Bosnie-Herzégovine. Ny 4 septambra kosa ny faharoa ao Ukraine ao amin’ny Stade Olympique de Kiev ary ny farany 7 septambra ao Lyon ao Finlande.
Lisitry ny mpilalao :
– Mpiandry tsatokazo : Hugo Lloris, Mike Maignant, Steve Mandanda
– Vodilaharana : Lucas Digne, Léo Dubois, Presnel Kimpembe, Jules Koundé, Dayot Upamecano, Raphaël Varane, ary Kurt Zouma
– Hirakiraka : N’Golo Kanté, Paul Pogba, Aurélien Tchouaméni, Corentin Tolisso, Jordan Veretout
– Lohalaharana : Karim Benzema, Kingsley Coman, Moussa Diaby, Antoine Griezmann, Thomas Lemar, Anthony Martial, Kylian Mbappé
