SocialTsidika

Taolagnaro : Zaza roa namoy ny ainy vokatry ny fihinanana trondron-dranomasina

Zaza mianadahy iray tampo, sivy taona sy iraika ambin’ny folo taona no namoy ny ainy vokatry ny fihinanana trondron-dranomasina tao Taolagnaro.

Tao Ambinanibe, tsy dia lavitra ny port Ehoala no nitrangan’ity tranga ity. Fihinanana trondro misy poizina no voalaza fa nampidi-doza ka nahafaty ireto zaza ireto. Raha arakin’ny angom-baovao teny an-toerana, voalaza fa trondro botana ilay nahafaty ireto zaza ireto.

« Trondro misy poizina io botana io, tsy fihinana. Na mahazo an’izy io aza izahay rehefa manarato dia averinay anaty rano fa tsy hoentinay » hoy ny mpanarato iray

Mizara roa ny hevitry ny mponina ny amin’io trondro io. Misy ireo milaza azy io ho poizina toy ity mpanarato ity. Misy ihany koa anefa ireo milaza fa fihinana tsara ity trondro ity fa mila fahaizana kosa ny mikarakara azy : « Esorina ny lohany sy ny taovany fa misy poizina izay vao afaka hohanina ».

Tsy fantatra mazava izay tena antony nahatonga ilay zaza nihinana izao trondro izao. Ny azo lazaina aloha, misy tsy mahalala ny maha tsy fihinana ity karazan-trondro ity izany ny olona. Raha ny tarehimarika hita mahakasikan’ny olona matin’ny fihinana trondron-dranomasina any amin’ny faritra tahak’izao mantsy, olona nihinana botana avokoa. Tsara asiana fampahafantarana sy fanentanana arak’izany momban’ny trondro satria ny olona any amorontsiraka, tsy afa-miala amin’ny fihinanana azy io. Eo ihany koa ireo mpampiasa akora simika, tsy tokony ariana eny amin’ny ranomasina ny loto sy ny fako avy nampiasaina. Maharatsy ny kalitaon’ny trondro ireny.

Tsangy Randriamampianina

Laisser un commentaire