SocialTatitra

Mexique : 11 no matin’ny rivo-doza Grace

Niakatra 11 indray ny maty noho ny rivo-doza nisy tao Mexique ny sabotsy teo raha 3 izany ny alahady tao Puebla. « Ny alahady teo no vao 3 izany, iray tao Huauchinango ary roa tao Tlaola » hoy ny fanampim-panazavana nentin’ny biraon’ny governora ao Puebla.

Nitatitra fahafatesan’olona valo tao kosa ireo manam-pahefana tao Veracruz tao aorian’io ka nisy vehivavy iray niaraka tamin’ny zanany dimy tamin’ireo izay nianjeran’ny tranony nandritra ny fihotsahan’ny tany. Efa indroa niverina tao an-toerana ity rivo-doza ity, ny alakamisy teo no voalohany. Ankoatra ireo maty dia namela takaitra ihany kosa izy, trano rava, làlana simba ary fahatapahan’ny herinaratra.

Laisser un commentaire