ActualitésTsidika

Handray anjara amin’ny fihaonamben’ny mpandraharaha miteny Frantsay i Madagasikara

Hotontosaina ny 24 hatramin’ny 27 aogositra ho avy izao ny fihaonamben’ny mpandraharaha miteny frantsay ho amin’ity taona 2021 ity any amin’ny « hippodrome de Longchamp » any Paris.

Handray anjara amin’ny ady hevitra ho atao ny 25 aogositra izao i Thierry Rajaona, filohan’ny Groupement des entreprises de Madagascar na ny GEM. Manodidina ny fitantanana ny toe-karenan’ireo firenena miteny frantsay ny lohahevitra amin’izany. « i Rajaona Thierry no hitarika ny delegasiona malagasy amin’io hetsika fanao isan-taona io » hoy ny avy ao amin’ny « Mouvement des entreprises de France » na ny MEDEF. « Handeha hanatrika izany ihany koa i Rakotoarisoa Hery Lanto izay filohan’ny « Groupement des entreprises franches et partenaires na » ny GEFP, sy i Andriantefihasina Harry, filohan’ny sendikan’ny mpandraharaha ny trano sy ny asa vaventy eo ihany koa i Amiraly Hassim, filohann’y sendikan’ny indostria eto Madagasikara » hoy i Rajaona Thierry. « Fifampizarana traikefa amin’ny any ivelany izao ka mila entina eto izay azo hamapndrosoana ny firenena » hoy i Naly, tanora mpandraharaha eto an-toerana. Marihina fa nasaina hanatrika ity hetsika ity ihany koa ny filoham-pirenena Rajoelina Andry.

Irariana mba hisy fiatraikany eo amin’ny fandraharana malagasy tokoa izao hetsika izao. Ny fandraharahana izay manomboka mivelatra eto amintsika ary tsy vitsy ireo mpisehatra amin’izany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire