PolitiqueTsidika

Ministeran’ny asa vaventy : Atao laharam-pahamehana ny fanarenana ireo lalam-pirenena

Ho harenina ireo lalam-pirenena isan’izany ny RN2, RN4, RN7, RN44 ary ny RN13 izany no fanamby napetraky ny Minisitra vaovao misahana ny asa vaventy, Hery Hatrefindrazana.

« Ho tohizana ny asa napetrak’ny ministra teo aloha ary ho hafainganina ny fomba fiasa. Mba hatanteraka izany, ho ampitomboina ireo fitaovana fanamboaran-dalàna sy ireo teknisianina miasa. Efa mandroso tanteraka ny asa fanamboarana sy fanarenana ny lalam-pirenena faha-44 ary araka ny mpandraraha’ny orinasa misahana ny fanarenena izany lalana izany ho vita tanteraka ny asa any amin’ny volana martsa 2022 » hoy ny ministra nandritra fifamindram-pahefana nataony niaraka tamin’ny ministra teo aloha, Hajo Andrianainarivelo tetsy Anosy ny Alakamisy 19 Aogositra 2021.

Nomarihin’ny minisitra vaovao ihany koa fa ny hafaingana ny fomba fiasa dia tokony hiaraka tanteraka amin’ny fanajana ny ny fenitra sy ny kalitaon’ny asa tanterahina. Ankilan’izay, notsindrian’ny ministra Hajo Andrianainarivelo, izay lasa ministry ny Fanajariana ny tany fa asa fanamboaran-dalàna miisa 37 no efa mipetraka amin’izao fotoana raha to aka 9 ireo tetikasa lalàna voavatsy vola. Mahakasika ny vola mbola tsy voaloa ho an’ieo mpandraharaha miisa 230 nisahana ny fanamboaran-dalàna nanambara ny ministra vaovao fa hisy ny fisavana sy fanamarinana ireo asa nataon’izy ireo. Izany dia hatao mba hahafantarana ireo asa vita mifanaraka amin’ny fifanarahana natao tamin’ireo orinasa, hoan’ireo orinasa tsy nanaja ny fifanarahana kosa voetery manatanteraka ny asa amin’ny antsakany sy andavany izy ireo. Raha tsiahivina, nandritra ny « audit » nataon’ny ministeran’ny asa vaventy orinasa mpandraharaha miisa 230 ireo nitaky ny volany nanomboka ny taona 2020. Handrasana araka izany ny fivoaran’ny asa fanarenana ireo lalana izay mampitaraina ny mponina.

Sitraka Rajaonarivony

Laisser un commentaire