Corée du Sud : Toeram-pivoahana mamadika ny diky ho vola nomerika
Efa ahazom-bola hatramin’ny fivoahana an-kabone ao Corée du Sud. Afaka mamadika ny maloton’olombelona ho vola nomerika ny toeram-pivoahana ao an-toerana. Io filàna voajanahary mivoaka io no nisarika ny Profesora Cho Jae-weon, avy ao amin’ny Université nationale de sciences et de technologies d’Ulsan (UNIST) sady talen’ny fikarohana ao amin’ny Waldon Center hamokatra ity vola nomerika ity. Nantsoina hoe Feces Standard Money ity tetik’asany ity ary Ggool kosa ny vola “virtuel” azo amin’izany.
Raha ny fanazavany dia toy ny rafitra misy eo amin’ny tantely sy ny “nectar” izany. Toeram-pivoahana telo no efa namboarany nantsoiny hoe BeeVi. Troan’izany ny maloto, avy eo levoniny ho lasa “méthane” izany. Vita izay dia dorana ho lasa “bioénérgie” izany. Afaka hamanana rano io gaz io avy eo ary afaka hamoronana ilay vola Ggool ihany koa. Ireo maloto avy naodina tamin’izany kosa dia mbola afaka atao zezika raha ny fanazavany.
