Dépêches

Lozam-pifamoivoizana tany Behenjy

20 Aogositra, 07:30. Nisehoana lozam-pifamoivoizana teo Antanimenabe fokotany Tsaramiafara Behenjy omaly harivan’ny alakamisy 19 aogositra 2021 tokony ho tamin’ny 05 ora latsaka teo. Moto roa avy any atsimo nifampisongona tao anaty fidinana miampy fiolahana no nifanena tampoka tamin’ny fiara avy aty avaratra ka nifatratra tany ny iray tamin’ireo mpitondra moto. Naratra mafy ity farany, ilay moto marika FAN 49 CC noentiny kosa potika tanteraka raha afa-doza ilay iray. Nentina namonjy hopitaly haingana ny naratra saingy tsy tana intsony ny ainy noho ny dona mafy nahazo azy.

Laisser un commentaire