ConseilTsidika

Fanadiovana hoho

Ilana fahazarana matetika ny manadio hoho. Anisany fenitra ara-pahasalamana ny fanadiovana azy io. Manan-danja sy misongadina eny amin’ny vehivavy ny fananana hoho madio. Manahirana anefa ny manadio ny hoho indraindray raha tsy zatra.

Anisany faritra hitoeran’ny loto ahazoana mikraoba ny hoho. Tsara raha tanterahana matetika ny fanadiovana azy. Tanjona amin’izany ny hahafotsy ny hoho. Borosy kely, savony na tsiranoka savony, ary lovia jobo no ampiasaina mba ho fanadiovana azy. Ho fikarakarana azy, Alefa ao anaty lovia jobia ny savony ary ampiana rano kelikely. Hafanaina mandritra ny roa minitra eo no eo. Lomana ao anatin’ilay rano nafanaina miaraka amin’ny savony teo ny tanana mandritra ny dimy minitra. Manalefaka sy manamora ny fialan’ny loto no anton’izany. Kosehina amin’ilay borosy kely tsirairay ny ratsan-tanana sy ny ao anatin’ny hoho rehefa vita izany. Hialan’ny loto ao anaty hoho no antony hiborosina azy tsirairay. Isan-kerinandro no tsara hanadiovana ny hoho mba hahafotsy azy. Tsotra sady mora ny fomba fanadiovana ny hoho raha arahana ireo torohevitra tsotra ireo. Mahafinaritra ny maso ny mahita ny hoho madio lalandava. Anisany hikojakojana ny fahasalamana ihany koa ny fanadiovana.

Laisser un commentaire