ActualitésTsidika

Ambohimangakely: Tsenam-barotra iray niharan’ny fanafihana

Nitrangana asan-jiolahy indray teny Ambodivoara, fokontany Andranovao, kaominina Ambohimangakely, ny alin’ny alatsinainy, hifoha talata teo. Tsenam-barotra iray no lasibatra nandritra izany. Lasan’ireo olon-dratsy avokoa ny entana rehetra tao an-toerana, araka ny voalaza.

“Manjaka ny tsy fandriam-pahalemana amin’izao fotoana. Mijaly ireo mponina ary mitaraina lava mahakasika ny asan-jiolahy. Manaitra ny tomponandraikitra satria tsy manana hantenaina hiaro afa-tsy ny mpitandro filaminana ny mponina” hoy i Aimée, tompona tsenam-barotra iray.

“Maro izay vaky trano sy toka-trano niharan’ny fanafihana izay tato ho ato. Mijaly ny vahoaka ary mandry tsy lavo loha noho ny tsy fandriam-pahalemana. Mila miray hina ary miara mientana ny rehetra satria izay mitambatra hery no maharesy ny ratsy” hoy i Odile, mponina ao Ambohimangakely.

Nandritra ity vaky trano ity moa dia lasan’ireo olon-dratsy avokoa ny entana rehetra tao amin’ilay tsena. Noloahan’ireo olon-dratsy ny rindrindra nandritra izany ka teo no namoahan’izy ireo ny entana.

Laisser un commentaire