Ambalavao: Lavon’ny zandary i Lebeba
Jiolahy iray mpamerin-keloka antsoina hoe Lebeba no lavon’ny zandary tao Soavinarivo, fokotany Ambalavao kaominina Ibity. Malaza amin’ny famonoana olona; fanakorotanana sy fandrobana ary fanafihana mitam-basy; tsy mampilamina ny fiaraha-monina, araka ny voalaza.
“Vono olona sy fakana an-keriny. Fanafihana mitam-basy no hiampangana ity jiolahy mpamerin-keloka ity. Mampitaraina ny olona eny an-toerana ny fampihorohoroana ataony, tsy mandry andriran’antsy ny vahoaka. Maro ny fitoriana sy fitarainana momba azy any amin’ny mpitandro filaminana.” Hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.
“Efa nanaovana fikarohana hatry ny ela. Efa natao haza lambo i Lebeba izao tratra izao. Nandositra avy hatrany ny tenany raha vao nahita ireo zandary. Raikitra ny fifanenjeha; voatery nitifitra azy ny zandary rehefa tsy nety hijanona izy. Namoy ny ainy ity farany tao aorian’ny tifitra nahazo azy.” hoy ny mpitandro ny filaminana.
Mitohy hatrany ny ady amin’ny tsy fahandriam-pahalemana ataon’ireo mpitandro filaminana, manoloana ireo tranga niseho tato ho ato.
