ActualitésTsidika

Fiatrehana ny rivo-doza : Miara-miasa ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny sy ny vahoaka

Anatin’ny vanim-potoana ny rivo-doza ny firenena, ary tena mahery vaika ity rivo-doza Freddy ity ka ahafahana miatrika izany an-tsakany sy an-davany dia mila mahay miara-miasa ny tompon’andraikitra manerana ny Nosy sy ny vahoaka isan-tokony. Samy manana ny anjarany amin’izany ny rehetra satria iray ihany ny tanjona dia ho toerana hieren’ny loza ny faritra rehetra na mba hihena ny loza mety hitranga aorian’ny fandalovany.

« Ny tompon’andraikitra rehetra dia tsy tokony handry atoandro, na alina manoloana izao zava-misy izao. Ny vahoka ihany koa dia tokony hanaraka tsy tapaka ny vaovao mahakasika ny rivo-doza ary hanaraka ihany koa ny fepeta rehetra izay napetraky ny tompon’andraikitra », hoy ny avy ao amin’ny BNGRC.

« Sarobidy ny aina, matanjaka be ity rivo-doza ity ary tena mila mitandrina farany izay mafy indrindra. Sarobidy ny sakafo, raha zo atao ny tsy mivoaka mandritra ny fandalovany dia tokony efa manangona ireo sakafo afaka andrahoina, manangona ihany koa ireo kora entina mahandro toy ny saribao sy ny kitay. Manaraka izany dia mbola mahakasika ny sakafo hatrany, ataovy madio tsara sy masaka tsar any sakafo satria mety tsy ahavita manao fanatanjahantena ka mety ho sarotra ho an’ny vatana ny mandevoana izany »; hoy ny Mpitsabo, nutritionniste iray.

Miaraka amin’izany ny isam-pokontany dia tokony efa samy manangana ireo saina izay mifandraika amin’ny filazana ho azy. Ny famindrana ireo olona marefo dia efa mandeha amin’izao fotoana izao ary efa vonona ny fandraisana rehetra, indrindra ara-trano.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire