Lalam-be migodana : Hatomboka amin’ity volana ity ny fandoavana ireo vola
Dépêche 05 décembre, 12h30, Hatomboka amin’ity voolana ity ny fandoavana ireo ampahany amin’ny vola tokony ho an’ireo olona manana tany voakasiky ny tetik’asa. Mivelatra be ny tany mety ho voakasiky ny tetik’asa lalam-be migodana izay hampitohy an’ny Toamasina amin’ny Antananarivo. Ireo solon’ny vidin’ny tany sy ny vokatra teo aminy ary ireo foto-drafitr’asa sasany tsy maintsy noravaina noho ny tetik’asa dia hiverina amin’ny tompony ihany amin’ny alalan’ny lelavola izay ho zaraina. Efa hatomboka sahady izany amin’ity volana desambra ity ho an’ireo olona sasany hahafahan’izy ireo miverina mihary indray.
