ActualitésTsidika

Ankadikely-Ilafy: Nisy ny lalaom-pirahalahiana nifanandrinana tamin’ny Bongolava

 Lalaom-pirahalahiana nifanandrianan’ny “Crai foot” avy ao Ankadikely Ilafy sy ny “miel’s club” avy ao Bongolva no niseho tamin’ny sabotsy lasa teo tao amin’ny kianjan’ny fifankatiavana, Kaominina Ankadikely Ilafy.

Nisaraka tamin’ny isa 2 noho 2 ny lalao tao anatin’izany. Ireto ekipa ireto izay efa voafantina tany amin’ny kaominina tsirairay nisy azy avy. Fifandonana voalohany ity natao ity ary hita fa nahafa-po avy hatrany ny mpikarakara. “Nahafa-po ny lalao voalohany izay nifanandrinan’ny ekipa roa tonta na dia mbola betsaka aza ny lesoka teo amin’ny mpandray anjara, mbola azo atao tsara ny manarina izany hanatsarana ny lalao ho avy” hoy ny mpanazatra nandritra ny lalao. “Varavarana misokatra ho an’ny mpandresy ny lalaom-pirahaliana iny, ary efa dingana lehibe ho an’ny Crai foot izay mpandresy” hoy Tojo mpijery baolina.

Mbola hisy ny lalao miverina izay ho tanterahina any Bongolava taorian’iny lalao niseho iny. Vonona hatrany kosa ny ben’ny tanàna ao an-toerana hanohana sy handray an-tanana ireo mpilalao ao an-toerana sy avy lavitra.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire