Dépêches

Oniversiten’i Toliara : ravan’ny hetsiky ny mpianatra ny fifaninanana ho amin’ny mpiasam-panjakana

23 aogositra, 1h, Rava ny fifaninanam-pirenena ho an’ny mpiasam-panjakana izay nokasaina natao tao amin’ny oniversite Maninday Toliara, ny 22 aogositra teo. Mihamafana ny toe-draharaha ao an-toerana araka izany, nohidin’ireo mpianatra ny vavahady vy ary notefen’izy ireo « soudure » ny fefy vy izay manodidina izany. Anisan’ny antony iray tsy mbola nahazoan’ireo mpianatra sasany ny vatsim-pianarana na dia efa nisy aza ny « réclamation » natao.

Laisser un commentaire