ActualitésTsidika

Miandrivazo : Tafidina 2 800 Ar ny kilaon’ny Tsaramaso

Mitotongana ny vidin’ny tsaramaso ao Miandrivazo amin’izao fiakaran’ny vokatra izao noho ny fanararaotana ataon’ny mpanangom-bokatra amin’ny tantsaha. Tafidina 2 800 Ariary ny iray kilao amin’izao, raha 3 500 Ariary izany herinandro lasa izay.

« Novidiana 1 200 Ariary ny iray kapoaka tamin’ny fividianana masomboly. Tena maty antoka izahay amin’izao. Ny lany nandritra ny fikarakana nahatafavoaka izao vokatra izao tsy lazaina intsony » hoy i Albert, tantsaha mpamokatra. « Miantso mpandraharaha maro mba ho tonga aty an-toerana mba hahatsara ity vidin’ny tsaramaso ity. Izany dia hialana amin’ny familafilana ataon’ny mpividy sasany » hoy hatrany ireo tanstaha. 

Marihina fa distrika sangany amin’ny vokatra tsaramaso i Miandrivazo, ary mamatsy faritra maro. Tafakatra 10 000 Ha ny faritra voavoly tsaramaso any an-toerana tamin’ity taona ity, noho ny fisian’ny rotsaka orana sy tohana maro isan-karazany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire