Conseil

Solila : Betsaka ny tsy mahalala ny soa azo avy aminy

Isan’ny zava-maniry mora volena sy betsaka eto amintsika tokoa ny solila (menthe). Betsaka ihany koa anefa ireo tsy mahafantatra ny ampiasaina azy akory. Misy vitamina A sy calorie, fibre, fer, manganese, sodium anefa ny solila.

Betsaka ny zava-tsoa azo avy aminy indrindra eo amin’ny fahasalamana. Manampy betsaka amin’ny fandevon-kanina ny solila. Manala tazo sy sery ary manasitraka aretina an-doha ihany koa. Sady fitsaboana asthme no afaka manala ny rarintsaina ihany koa izy. Manala ny microbe sy manadio nify, ary ati- vava ny solila. Manala fanaintainana amin’ny vatana ihany koa izy.

Mbola maro be ny zava-tsoa entiny. Azo atao dite izy ary sotroina 1 vera isan’andro.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire