ActualitésTatitra

Afrique du Sud : Biltong, sakafo manaela ny fitehirizana hena

Raha efa mahazatra eto Madagasikara ny mahita trondro maina dia toy izany ihany koa ny hena maina ao Afrique du Sud. « Biltong » no fiantso izany ao an-toerana, ny « Afrikaners », ivondronana mponin’i Afrique du Sud fotsy hoditra no namolavola azy nandritra ny «Grand Trek ».

Ny hen’omby no tena hanamboarana ny « Biltong », misy ihany ireo manolo izany amin’ny henan’ « autruche, springbok, gemsbok » ary « koudou ». Vinaingitra, sira, kotomila, dipoavatra mainty ary siramamy na siramamy mena kosa no akora fototra amin’ny fanamboarana azy.

Alona ao anatin’ny vinaigitra ny hena ary asiana ireo hanitra, Asiana sira antsoina hoe « salpêtre » izy mba hampaharitra ny fitehirizana azy ary tsy kitihana mandritra ny ora maromaro hampitsika ny rano ao amin’ny hena. Hamainina amin’ny rivotra izany avy eo na amin’ny amin’ny afo kitay raha toa ka an-tanan-dehibe, raha ho an’ny orinasa kosa dia atao ao anaty efitra misy fanafanana (climatiseur).

Laisser un commentaire