SportTatitra

Italie : Nanitatra ny fifanarahana tamin’ny Ferrari i Carlos Sainz Jr

27 taona i Carlos Sainz Vázquez de Castro antsoina hoe Carlos Sainz Jr, mpikatroka Formule 1 avy ao Espagne. Zanak’ilay tompondaka eran-tanin’ny Rallye indroa Carlos Sainz ny tenany.Nanomboka ny taona 2021 i Carlos Sainz Jr no nanatevin-daharana ny Ferrari rehefa nanao taom-pilalaovana roa tao amin’ny ekipa McLaren. Nanitatra ny fifanarahana hatramin’ny taona 2024 tamin’ny Ferrari kosa ny tenany omaly alakamisy.« Tsy misy ekipa tsara noho ny Ferrari ao amin’ny Formule 1 ary ny herintaona mahery nijanonako tao dia efa nahitako fa tsy manan-tsahala izy ireo » hoy i Carlos Sainz Jr.Tsiahivina kosa ny faran’ny herinandro no hotontosaina ao Imola ny andiany faha efatry ny « Grand Prix d’Emilie-Romagne 2022».

Laisser un commentaire