Tanora : Tsara raha manorina ny hoavy amin’ny fomba azo antoka
Isan’ny mahaliana ny tanora amin’izao fotoana izao ny « Baby », izay lesoka tsy fisian’ny asa eto Madagasikara. Misy vola mihodina tokoa mantsy mandritra ny lalao izay mety mahazo 10 000 Ariary eoeo.
« Mahazo vola manodidina ny 10 000 ariary ny mpilalao iray rehefa vita ny lalao. 500 ka hatramin’ny 2000 ny jetons amin’izany ary mety mampiditra 500 000ariary isan’andro ny tompona Baby. Azo atao tsara noho izany ny mivelona aminy » hoy i Honoré, mpanamboatra ity billard sy Baby ity. « Kamo hisahirana ny tanora amini’zao. Vitsy ny mba miezaka manangana orinasa hiasan’ny mpiray tanindrazana. Tsy mety loatra anefa izany eo amin’ny fampandrosoana ny firenena. Tsara ny manangana hoavy mamiratra eo ambony zavatra azo antoka » hoy i Feno, manam-pahaizana mikasika ny fandrosoana lovain-jafy.
Lafo vidy tokoa ity fitaovana ity noho ireo singa ilaina aminy. 550 000 ka hatramin’ny 2 000 000 ariary ny iray amin’ity fitaovana ity.
Nicole Rafalimananjara
