Barean’ny Madagasikara sy ny Can
15H25: Hohampahafantarina ny alarobia na alakamisy ho avy izao ny lisitr’ireo mpilalaon’ny Barea. Mbola mitady hevitra amin’ny hanoloana ireo mpilalao mbola naratra ihany koa izy ireo. Ny vodilaharana roa moa no mbola maratra ankehitriny (Thomas Fontaine sy Jérémy Morel) ka tsy mbola afaka hanohy ny lalao. Hiatrika lalao amin’ny Ethiopie sy Niger isika amin’ity taona ity. Ny 27 Mars ho avy izao tanterahina any Ethiopie ary ny 30 Martsa eto Madagasikara ihany iarahana amin’ny Niger. Lalao hifanitsanana ho any amin’ny CAN 2022 ity atao ity.
