SocialTatitra

République Démocratique du Congo: Mihatony ny toe-draharaha saingy mitohy ny herisetra ara-nofo

Mifanesy ny zaza amam-behivavy tonga ao amin’ny mpitsabo Denis Mukwege sy ny mpiara-miasa aminy ao amin’ny hopitaly Panzi. Hiaran’ny fanolanana ataon’ireo sivily, milisy ary miaramila ny ankahamaron’izy ireo. Denis Mukwege moa no mpanampy ireo hiaran’ny herisetra ara-nofo ao an-toerana.

Zazavavy kely 6 taona no naterin’ny reniny tao aminy farany teo hiatrika fandidina noho ny fanolanana nahazo azy. Lehilahy niasa tao amin’ny toeram-pitrandrahana teo akaikiny no naka an-keriny ny zanakay vavy ary nanolana azy tao amin’io toeram-ptrandrahana io raha ny nambaran’i Anita renin’ity zaza ity.

Simba tanteraka ny “rectum” an’ity zaza ity rehefa natao ny fizahana hoy ity mpitsabo ity. Nangataka fanampiasa taminy kosa izy mianaka mba hitory ilay nahavanon-doza.

Laisser un commentaire