SocialTatitra

Corse : Lehilahy iray nitifitra basy ny vadiny

Rangahy 63 taona iray no nitifitra basy ny vadiny ny herinandro lasa teo tao Porto-Vecchio, Corse atsimo. Ny mpiray vodirindrina taminy no naharehy ny feom-basy, niazakazaka nijery izy ka rangahy nitazona basy no hitany. Efa eo ampelan-tànan’ny fitsarana ny raharaha hoy ny mpanoa lalànan’i Ajaccio, Carine Greff. Mahalana izany famonoana vady izany ao an-toerana raha ny fanazavany ary tamin’ny taona 2016 no nitrangan’izany farany. Tsy nanome fanazavana mahakasika ny anton’ity rahraha ity kosa ny tenany. 

RépondreTransférer

Laisser un commentaire