Eo andalam-pahavitana ny tranon’ny mpianatra vaovao eny Ankatso
Efa andalam-pahavitàna ny trano ho an’ny mpianatra ho an’ny Oniversite Ankatso amin’izao fotoana izao. Raha tsiahivina dia taona maromaro lasa izay no nahavitan’ny trano lehibe roa ho an’ny mpiantra lahy sy vavy izay nantsoina hoe « Cité rose » sy « cité jaune ».
« Ahitana efitranon’ny mpianatra an-jatony maromaro ity Cité vaovao ity ary vinavinaina ho vita tanteraka mialohan’ny faran’ny taona » hoy ny tompon’andraikitra. « Maro be ireo mpianatra mandany vola amin’ny fanofana trano noho ny tsy fahampian’ny efitrano hipetrahana eny amin’ny tranon’ny mpianatra Ankatso ka mba hamahana tanteraka ny olana tahaka izany no anton’izao tetik’asa izao » hoy ny avy ao amin’ny fitondrana.
« Tena mahafaka fahasahiranana sy manampy betsaka ny mpianatra mihitsy ny fanampiana ny fotodrafitrasa tahaka izao » hoy i Aina, mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo. Na izany aza anefa, ilaina hatrany ny mangarahara amin’ny fintantanana ny tranon’ny mpianatra mba tena ireo mpianatra sahirana amin’ny hofantrano tokoa no hisitraka izany. Tsy mety ny fanararaotana, fa tsara raha manaraka hatrany ny fandaminana izay apetraka.
Nicole Rafalimananjara
