Hisokatra ny « Voromahery Akademia Football” any Ambatondrazaka »
Ny alakamisy 29 jolay 2021 no hitiliana ireo ankizy sy tanora 14 taona ka hatramin’ny 20 taona avy any Ambatondrazaka sy ny manodidina hijerena izay ho mpanao baolina any an-toerana. Eo amin’ny kianja Mahatsara Anosindrafilo no hanatanterahana izany amin’ny 08 ora maraina hatramin’ny 11 ora atoandro, ary eo amin’ny kianja Betanimena amin’ny 02 ora tolakandro hatramin’ny 05 ora hariva.
Tanjona ny mba hananganana sekolin’ny baolina kitra eto Ambatondrazaka mba ahafahana mitily, mitaiza sy manabe ary manofana ireo taninketsan’ny baolina kitra eto an-toerana hoy ny mpikarakara. « Ny baolina kitra dia isan’ny fanatanjahan-tena efa lasa lavitra koa tsara raha omena laka hatrany ireo tanora eto Madagasikara » hoy i Jacquis izay isan’ny mpisehatra ao amin’izany taranja izany.
« Izaho izao tena mazoto amin’ilay hilalao baolina kitra fa kosa tsy mahita ny sehatra tiako hivelarana aho, koa misaotra ny tompon’andraikitra ny amin’izao hetsiak amin’ny alakamsiy izao » hoy Antonio, tovolahy 16 taona. Efa misy kosa anefa ireo fepetra mandritra izany koa amin’izany indridra no tokony hajana tsara indrindra ny eo amin’ny fetran’ny taona napetraka ary ihany koa manoloana ny fiparitahan’ny valan’aretina.
Mankahery ny asa tahaka izao satria miainga amin’ny faritra tsirairay tahaka izao ny fampandrosoana ny firenena.
Nicole Rafalimananjara
