ActualitésTatitra

Serbie : Nanamafy ny fandraisany anjara amin’ny lalao olimpika i Novak Djokovic

Nilaza i Nivak Djokovic ny alakamisy 15 jolay lasa teo fa handray anjara amin’ny lalao tennis mandritra ny Jeux Olympiques any Tokyo. “Efa voafandrika ny tapakila hisidinana ho any Tokyo ary hanatevin-daaharana ny ekipan’ny serbe any Tokyo ny tenako” hoy ity mpilalao fata-daza maneran-tany amin’ny taranja tennis ity tao amin’ny tambajotran-tserasera. Marihana fa efa nandrobaka ny amboara in-telo izy tamin’ity taona ity izay tany Australie, France ary Angleterre. Somary hahazo vahana ity mpilalao 34 taona ity mandritra io lalao io noho ny tsy fahatongavan’ireo mpilalao mahay toa an’I Roger Federer, Rafael Nadal, Dominic Thiem na Nick Kyrgios. Hohamafisina kosa ny fepetra ara-pahasalamana manomboka ny 23 jolay izay hanombohan’ny lalao hoy ny tompon’andraikitra ao Japon.

Laisser un commentaire