Inona no foto-kevitry ny Antoko Politika Madio ?
Efa manomboka maro ny antoko Politika miorina eto Madagasikara. Midika ho fandrosoan’ny firenena ve izany ? Sa midika fa malalaka ny fanehoan-kevitra eto amintsika ? « Fitadivam-bola fotsiny izany raha eto Madagasikara, lainga sy fitaka no tena misy fa tsy politika akory » hoy ny mpianatra serasera iray teny amin’ny anjerimanontolo.
Eto dia hiresaka antoko politika iray miorina ara-dalàna sy manaraka ny lalàna isika dia ny Antoko Politika Madio. Mirona kokoa amin’ny foto-kevitra Ankavia ary manana vina sy tanjona dia ny mba hanentana ny olom-pirenena Malagasy mba handray anjara amin’ny tontolon’ny politika eto amin’ny firenena ny APM hoy ny mpikambana iray. « Firenena fa tsy seza » hoy ny teny filamatra.
Ny fanaovana politika tokoa mantsy dia tokony hampandroso ny firenena fa tsy sanatria hampitarazoka azy indray. Izany tokoa ve anefa ny zava-misy eto amin’ny firenena ? Nanambara ny filoha nationalin’ny antoko hoe : « tsy niova, tsy miova ary tsy hiova ny tarigetra dia firenena fa tsy seza; ny firenena no ambony kokoa, ambony lavitra noho ny ady seza na ny fitadiavan-tseza ». Nanampy ihany izy hoe « tsy mitovy amin’ireo mamba noana ara-politika ka jamban’ny seza fotsiny fa tsy mitsinjo akory ny tombotsoa ambonin’ny firenena ny antoko ». Hetsika maro no efa nataon’ny antoko, toy ny fambolen-kazo, ny firotsahan’ny filoha ho ben’ny tanàn’Antananarivo, ny fanajana ny soatoavina.
Nicole Rafalimananjara
