ActualitésTsidika

CVO+ Curatif : Mitatitra ny vokatry ny fampiasana ny Pharmalagasy

Mbola misy ireo marary any amin’ny toeram-pitsaboana any ary mbola mitohy ihany koa ny andrana ataon’ireo manam-pahaizana malagasy amin’ny fitadiavana vahaolana sy fanafody. Efa maro ireo karazana vokatra malagasy nampiasaina teto tao anatin’izay heritaona mahery nisian’ny valanaretina izay.

Tato aoriana anefa, toa very anjavony fotsiny izy ireny fa tsy hita izay fahombiazany na tsia. Nandeha teo ihany koa ny vaksiny covishield ary efa niaraha-mahita fa mmaro ireo tsy resy lahatra tamin’izany, eo am-piandrasana ny andiany faharoa izao ny rehetra. Ankehitriny, vita ihany koa andrana medikaly natao tamin’ilay fanefitra vokatra malagasy vaovao, CVO+ Curatif izay efa nandalo dingana telo nanomboka nny volana janoary lasa teo. Ny orinasa Pharmalagasy etsy Tanjombato no namokatra azy ity ary efa voamarina fa tsy miteraka « effet secondaire » ity vokatra vaovao ity.

Marary 400 nitondra ny tsimokaretina Covid-19 no nanaovana ny essai clinique tamin’ity vokatra ity ary hita tamin’izany fa 70, 45%n’ireo marary no sitrana tao anatin’ny 14 andro. Mandaitra hatramin’ny 87,1% ny CVO+ Curatif ary tsy atahorana ny vokatra avy eo. Ampy hiatrehana ny andiany fahatelo izay efa miha-manantona ve anefa izany ? ireo firenena matanjaka nahavita vaksiny aza ankehitriny miady mafy sy manakaton-trano amin’ny any ivelany avokoa.

Ally Herisoananahary

Laisser un commentaire