ActualitésTsidika

Nisy ny fizarana bodofotsy ho an’ireo vehivavy sahirana tao Mandritsara

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny ririnina ny eto Madagasikara amin’izao fotoana. Vanim-potoana mangatsiaka ary tena mamirifiry mihitsy rehefa maraina sy ny alina. Noho izay indrindra, nanolotra fanampiana sy fanohanana ho an’ireo vehivavy sahirana any amin’ny faritra Mandritsara ny Ministeran’ny mponina.

Bodofotsy miisa 30 no nomena azy ireo ary ny solombavam-bahoaka voafidy tao Mandritsara, Rasolomanana Beby Olivier sy ny mpiara-miasa aminy no nizara izany tamin’ireo vehivavy. Nangataka ihany ko aizy ny mba hijerena manokana ireto olona sahirana ireto sy ny hanomezana tosika fameno azy ireo ao anatin’izao vanim-potoana ny ririnina sy ny krizy izao. Teo ihany ny faniriany sy fanambarany ny amin’ny tokony hanganana Tranon’Ampela eto Mandritsara ho an’ireto vahivavy sahirana ireto.

Naneho fisaorana ny fitondram-panjakana sy ny solombavambahoaka ireto vehivavy ireto ary nilaza fa tonga amin’ny fotoana ilana azy tsara ny fanampiana.

Ally Herisoananahary

Laisser un commentaire