Lasa sekoly nomerika ny CEG Maintirano
Anisan’ny tanjona amin’izao fotoana izao ny fampidirana ny fampianarana eny amin’ny ambaratonga ambany ho ao anatin’ny tontolon’ny hairaha. Isan’ny manampy betsaka ny mpianatra izany no manamora ny fianarany hoy ny mpampianatra tao Maintirano. Mandeha ankehitriny ny fanaparitahana ny sekoly ara-nomerika amin’ity taom-pianarana ity.
Efa tafiditra tao anatin’ny lisitra ny CEG Maintirano hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena. Naharay fitaovana nomerika maro ny CEG. Miisa 20 ny fianarana hisitraka ny fandaharan’asa « sekoly nomerika » ho amin’ity taom-pianarana ity hoy hatrany izy ireo. Mety hitondra fandrosoana eo amin’ny lafin’ny fampianarana eny anivon’ny ambaratonga ambany tokoa ve anefa izany fanavaozana izany ?
Nicole Rafalimananjara
