Namokatra ny dian’ny ZRPS Alpha 1
Toa efa lasa mahazatra ny faritra sasan-tsasany ny fanafihan-dahalo. Efa manana ny ny teknika hitsoahany sy hiafenany mihitsy izy ireo, ohatra ny fandaozana ny tokatrano ny alina ary matory any an-tsaha, noho ny tahotra.
Mba hanampiana ireo olona ireo dia nandeha tany an-toerana ny ZRPS Alpha 1. Nahitam-bokatra izany satria omby miisa 30 no tafaverin’izy ireo tao amin’ny Fokontany Ampotomainty Ankobabe ny 23 jona lasa teo. Nahalavo dahalo izy ireo nandritra io fifandonana io ary nahasambotra iray. Ny 27 jona teo indray dia omby 20 no tafaverin’izy ireo, izay voaroba tao amin’ny Fokontany Marohotro Kaominina Maromby. Maro ny nankasitraka ny hetsika, eo ihany koa anefa ireo mbola mihaihay ny fiverenan’ny fanafihana.
Talohan’io dia efa naharesy tosika ny fanafihana nataon’ireo dahalo ny 26 jona teo tao Beraketa izy ireo. Niverina ny omby 45 nokasaina nalaina tamin’izany saingy vaky nandositra ireo jiolahy ireo. Izany hoe mbola mierina izany ireto mpanao ratsy ireto ankehitriny.
Hasina Rasamimanana
