Conseil

Sakafo tsara ho an’ny fitadidiana

Tsy mifidy taona intsony ny tsy fitadidiana ankehitriny na dia mbola tanora vao misandratra aza mora verivery tadidy. Azo tsaboina tsara anefa izany, tsy voatery mamonjy mpitsabo fa misy fomba natoraly avy amin’ny sakafo ho an’ny fitadidiana.

Misy ireo singa ilain’ny atidoha mba hampiasa haingana azy ka avy amin’ny sakafo ihany izany. Voalohany amin’izany ny Omega 3 izay hita ao amin’ny zavokà, « noix », menaka oliva, huile de colza, atody, saumon, sardine, voam-boatavo maina. Faharoa ny antioxidant izay misy ao amin’ny legioma maitso misy raviny, frezy, framboise, bleuet. Fahatelo kosa ny Vitamine B1 ao anatin’ny atody, noix, henakisoa, haricots noirs. Singa fahefatra ilaina ny Vitamine B6 hita ao aminy atikena, ovy, hena akoho, tsesisa, thon, voanjo. Fahadimy no ahitana ny Vitamine B12 ao anatin’ireo vokatra azo avy amin’n ronono sy ny atody, ny hena, vorona. Fahenina kosa no ahitantsika ny vy na « fer » izay misy ao amin’ny hena mena, taovankena, legioma maitso, ny voamaina isan-karazany, ny voam-boatavo maina.

Misotroa rano matetika izay tokony ho 2 litatra isan’andro sy trondro roa isak’herinandro, ny menaka live, ny sakafo feno sy ny odiambavafo, ny voankazo sy ny ronono. Efa manakaiky rahateo ny fanadinam-panjakana ka tsara raha homena ny ankizy dieny izao mba hananany saina matsilo sy fitadidiana tsara.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire