ActualitésTsidika

Ohatra ny ahoana marina ilay hoe manara-penitra ?

Nohirahiraina, ary niverina matetika isaky ny misy fotodrafitr’asa hajoro tamin’ity fitondrana ity ny hoe manara-penitra. Natsangana ny hopitaly « manara-penitra », EPP « manara-penitra », kianja « manara-penitra », namboarina ny lalàna isan-karazany, nolazaina fa manara-penitra. Fa fenitra toy ny inona marina ilay arahina ? Raha ny fenitra iraisam-pirenena, porofo mivaingana tsy maha-marina izany ireo kianja filalaovana baolina kitra, ny harato izay lavitra tanteraka ny fenitra maneran-tany.

Ny lalàna indray toa tsy maharitra sy tsy mahavita taona akory fa vao lalovan’ny erikerika sy orana, simba sy mamotaka sahady. Iaraha-mahita ny lalàna mihazo an’Ambatondrazaka izay efa mampitaraina ireo mpifamoivoy amin’iny lalam-pirenena iny izay vao nahazo fanamboarana vao tsy ela akory izay. Resaka hopitaly indray, azo lazaina ho hary fomba ireo fitaovana sasany saingy tsy ampy sy tsy maharaka ireo mila fitsaboana.

Ny saram-pitsaboana ihany koa midangana ary hita taratra izany nandritra ny firogatry ny Covid-19 teto Madagasikara tamin’ny fividianana « bouteilles d’oxygène ». Tsy takatry ny fahefa-mividin’ny rehetra anefa filàna fototr’ireo marary. Fa ohatry ny ahoana marina ilay manara-penitra eto an-tanàna? Fenitra avy aiza sa an’iza ilay arahina ?

Ally Herisoananahary

Laisser un commentaire