Namibie : Nanaiky i Allemagne fa nanao fandripahana olona tany Namibie
Sambany i Allemagne no nanaiky ny faha 28 mai fa nanao fandripahan’olona tany Herero sy Nama nandritra ny fanjanahantany. “Ho raisinay ho fandripahana olona ireny hetsika ireny araka ny fomba fijery ankehitriny” hoy ny fanambarana nataon’ny ministry ny raharaham-bahiny Allemand, Heiko Maas, tany anatin’ny fanehoan-kevitra nataony. Nolazainy nandritra ity fanambarana ity ihany koa ny tapaka tamin’ilay fifanekena nataony tamin’I Namibie dimy taona mahery aty aorian’ilay fifampiraharahana mikasika ireo zava-nitranga rehetra tao amin’ity faritany africain nozanahan’i Allemagne ny taona 1884 hatramin’ny 1915. Olona aman’arivony maro no novonoin’ireo mpanjanaka allemands tany Hetero sy Nama nandritra ny hetsika fampandrian-tany ny taona 1904 sy 1908, izay noheverin’ireo mpahay tantara maro fa fandripahana olona voalohany tamin’ny taonjato faharoapolo. “Manoloana ny andraikitra ara-tantara sy ara-moraly ho an’ny Allemagne, hialatsiy amin’ny Namibie sy ny taranak’ireo niharam-boina izahay, noho ny habibiana niseho” hoy ny hatrany ny ministra. Mba ho fanampiana sy fanomezan-tanàna ireo niharan’ny fijaliana sy ny voina isan-karazany, hanohana an’i Namibie ireo firenena ao Europe amin’ny fanorenanana sy fampandrosoana sady hanolotra vola mitentina 1.1 miliara Euro, hoy hatrany izy.
