Australie : Fihibohana eo no ho eo ho an’ireo mponina any Melbourne
Nahavoaray didy fihibohana avy hatrany nanomboka ny alin’ny 27 may lasa teo ireo mponina maherin’ny 5 tapitrisa ao Melbourne, ilay tanàna lehibe faharoa ao Australie noho ny fisian’ny tranga maron’ny covid-19. Nilaza ny praiminisitra mpisolo toerana any amin’ity fanjakana ity, James Merlino fa I Melbourne sy ny Etat Victoria no voakasik’ity fihibohana mandritra ny 7 andro. Ahitana trangana fifindrana avy amin’ilay tranga vaovao B.1.617, hita voalohany tany Inde. Tokony hanampy ireo tompon’andraikitra ara-pahasalamana hahita ireo tranga rehetra vaovao misy ity fihibohana ity. Tsy mahazo mivoaka ny trano ireo mponina rehetra any an-toerana mandritra ny herinandro raha tsy noho ny antony goavana, eo ihany koa ny fanaovana vaksiny. Fihibohana fahaefatra ity ho an’ity tanàna lehibe faharoa ao Australie ity hatramin’ny nisian’ny valan’aretina. Tao anatin’ny volana vitsivitsy izay, nahena ny fametrahana ireo fepetra ara-pahasalama tao Australie, ity tanàna lehibe ity izay efa nahavita nufehy ny valan’aretina tao aminy. Manomboka misy feo miakatra ammin’ny fanomezana tsiny ny fahaelan’ny fampielezana ilay vaksiny, izay antony mahatonga ilay firenena harefo
