SocialTsidika

Fanadinam-panjakana CEPE ao Maintirano

Mitohy hatrany ny fianarana ho an’ireo mpianatra hanala fanadinam-panjakana na eo aza ny fisian’ny valan’aretina. Ho an’ireo hanala ny fanadinam-panjakana bakalorea, nahitana fihenana ny tahan’ny fisoratana anarana ho an’ireo mpiadina, saingy mbola tsy nisy fiovana kosa anefa ny datin’ny fanadinana. Ho an’ny faritra Maintirano manokana, tontosa soa amantsara ny 26 may ny dingana voalohany amin’ny fanadinana andrana CEPE ho an’ireo sekolim-panjakana. Amin’ny volana jona ho avy io kosa no hanatanterahana ny dingana faharoa ary hiarahana amin’ireo sekoly tsy miankina rehetra any an-toerana. Miaina ao anaty tebiteby sy fitaintainana ireo ray aman-dreny sy ireo mpianatra amin’izao fotoana, na eo amin’ny lafiny fianarana na fahasalamana. Tsy mbola misy ny fanambarana ny amin’ny fihemoran’ny datin’ny fantanterahana ny fanadinana CEPE.

Ally Herisoananahary

Laisser un commentaire