BAOLINA KITRA – FMF
Tontosa tany Antsirabe tany ny faran’ny herinandro teo ny Fivoriambe ara-potoanan’ny Federasiona Malagasin’ny Baolina Kitra (FMF). Mbola nahazo fankatoavana 100 % tamin’ireo ligy 22 misy eto Madagasikara ny fitantanan’ireo tomponandraikitra anivon’ny FMF izay tarihin’ny Filohany Randriamanampisoa Alfred.
Tsy lany ny sata vaovaon’ny Federasiona izay manasongadina ny tokony hanovana an’ireo rafitra hifidy ny komity mpitantan’ny FMF. Ligy 17 tamin’ireo 22 no nitsipaka izany, ka mijanona ho ireo mpitantana eo anivon’ireo ligimparitra ihany no mpifidy.

