FEDERATION SPORT AUTOMOBILE MALAGASY
Kandida roa no nametraka ny antotataratasy hirotsaka hofidiana ho Filoha dia i Ranarisoa Henintsoa na Hentsrana sy Rabekoto Jeannot na Nonot. Ity farany izay Filoha nitantana teo aloha ihany izay nampanantena fa hitondra ny traikefany ho fanarenena ny lesoka hita hatramin’izay. Nanambara ny hanavao ny fifaninanana sy ny fitantanana amin’ny alalan’ny teknolojia, ho amin’ny mangarahara kosa ny Kandida Hentsrana. Ireo kandida ireo izay samy naneho fa fitiavana na passion iray ary nametraka tanjona iray dia ny hampandroso ny Sport Automobile eto Madagasikara


