Avaradrano: Nisy ny fizarana zezika ho an’ny tantsaha manerana ny distrika
Nozaraina zezika ireo tantsaha manerana ny distrika avaradrano, tamin’ny faran’ny herinandro teo. Samy nahazo ny anjarany, ho fanampiana amin’ity seha-pivelomana ity izany, araka ny voalaza.
« Ho famaliana ny fangatahan’ireo tantsaha manerana an’avaradrano, dia natao vain-dohan-draharaha ny fanolorana zezika sy masom-boly ho azy ireo » hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.
« Zezika NPK sy zezika biolojika izay tena tsara kalitao no natolotra hanatsarana ny vokatra. Nisy ihany koa ny pulverisateur izay mifanaraka tsara amin’ny zezika ampiasaina natolotra ho azy ireo » hoy hatrany ny fanazavana.
Ao anatin’ny tolo-tanana ho an’ny tantsaha izao hetsika izao. Mbola hitohy hatrany izany ary samy ahazo ny anjarany ireo tantsaha eto Avaradrano.
