SocialTsidika

Mitondra fampandrosoana ny fitohizan-draharaham-panjakana

Samy manana ny politika hoentina hitondrana ny firenena ny fitondrana nifandimby. Maro ny zavatra miova rehefa miova ny fitondram-panjakana iray, eo ihany koa ny drafitra izay mipetraka samy manana ny azy. Misy amin’ireo sampan’asa maro isan-karazany anefa no tsy afa-misaraka, ary tena mifampiankina tokoa. Anisan’izany ny tontolon’ny fambolena sy ny tontolon’ny indostria, manampy izany ihany koa ny resaka fitaterana sy toekarena. Samy iankinanan’ny sehatry ny ekonomia avokoa izany rehetra izany. Raha tsy misy mantsy ny fambolena, ny jono, ny fiompiana ihany koa aza, tsy afaka mivelona ireo indostria maro misehatra eo amin’ny fanodinana vokatra iray. Na misy aza ny fandravonana ny politika indostrialy eto Madagasikara, tsy mazava loatra ny tena fisian’ny fitohizan-draharaham-panjakana. Marina tokoa fa samy manana ny drafitra hitondrana ny firenena ny filoha nifandimby, saingy iankinan’ny fampandrosoana ihany koa ny fandinihana ireo asa efa vitan’ny teo aloha, ary ny tena tsara indrindra ny fanohizana izany amin’ny alalan’ny fikarohana politika vaovao, izay mitondra tombotsoa ho an’ny be sy ny maro. Tombotsoa iray azo avy amin’ny fambolena sy ny indostria ohatra ny fahavitantena ara-tsakafo. Misy amin’ireo mpisehatra eo amin’io tontolo io no efa manomboka mampifandray izany na misy aza ny fiovana eo amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana. Efa nanomboka tamin’ny taona 2011 izy ireo no nandravona ny politika hitazomana eo ny fifandraisana eo amin’ny tontolon’ny fambolena sy ny indostria. Nandritra izany fotoana izany no nisy ihany koa ny fijerena ny lanjan’ny sendikan’ny indostria Malagasy. Manana tanjona 5 araka izany ireto mpikirakira ny fambolena sy ny indostria ireto ary hotratrarina hatramin’ny taona 2025. Anisan’izany ny findrahana ny faritra azo trandrahina misy loharanon-karena; ny fampitomboana mitohy ny vokatra; fiarovana ny vokatra hampihena ny tsy fahampiana sakafo; fanatsarana ny tsena anatiny ny fijerena ny tsena any ivelany efa nisy tany amin’ny Repoblika voalohany. Zava-dehibe ny fanatsarana ny fitantanana eo amin’ny sehatry ny fambolena, indostria, ny toekarena.

Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire