SocialTatitra

Brésil : Maherin’ny 25 ireo maty vokatry ny tondra-drano sy ny fihotsahan’ny tany

Olona 25 farafahakeliny no namoy ny ainy noho ny tondra-drano sy ny fihotsahan’ny tany niseho tany atsimo atsinanan’i Brésil. Hatramin’ny omaly, mbola nitohy ny asa fikarohana ireo niharam-boiana sy ny fandravonana ireo tany nihotsaka, ataon’ny mpamonjy voina tany an-toerana. Olona roa no maty voaray tao Apiaca, ao amin’ny faritra Espirito Santo, saingy tafakatra hatramin’ny 17 izany ny alahady teo. mbola mitohy foana anefa ny fahitana ireo olona tototry ny tany taorian’izany fihotsahan-tany izany, izay naharodana trano maro tao amin’ny tanànan’i Minoso do Sul, izay anisan’ny voa mafy indrindra, raha ny voalaza hatrany. Raha kely indrindra dia olona 15 no maty taorian’ny nisehoan’ity tondra-drano ao amin’ity tanàna, izay misy mponina manodidina ny 25.000 eo ho eo. Tsy mbola nisy ny loza voajanahary niseho tahaka izao tao an-toerana fa ity tamin’ny faran’ny herinandro ity dia anisan’ny nitondra fahavoazana goavana.

Laisser un commentaire