France : Nikatona nandritra ny ora vitsy ny efitrano vonjy taitra tao Laon noho ny fisian’ny « Punaise de lit »
Nikatona ora vitsy ny efitrano mandray ny vonjy aina tao amin’ny hopitaly Laon, France, mba hanatanterahana ny famendrahana ranom-panafody ny toerana. Ny harivan’ny talata, marary iray nentin’ny sampana mpamonjy voina tao an-toerana, no nitondra ilay bibikely « punaise de lit ». Voatery nampiantso ireo orinasa lehibe matihanina amin’ny famonoana bibikely araka izany ny hopitaly mba hanafongotra ity bibikely ity tao an-toerana. Ka tamin’io fotoana io dia nafindra hopitaly hafa ihany koa ireo marary. 20ora taorian’izay moa vao niverina nisokatra indray ny hopitaly ary vita fitsirihana avy amin’ireompanara-mason’ny fahadiovana.
