Ankadikely Ilafy: Manomboka ny fametrahana ny jiro « branchement mora »
Nanomboka tamin’ny alatsinainy teo ny fametrahana ny jiro « branchement mora » tao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Mpanjifa vaovao avokoa no nisitraka izany, araka ny voalaza.
« Araka ny fandaminana dia natomboka ny asa fametrahana ny jiro mora, izay fiaraha-miasa miaraka amin’ny orinasa jirama. Ho an’ny teto amin’ny fokontany Andranovelona Ilafy, tokatrano miisa 19 no nisitraka izany » hoy ireo tomponandraikitra.
« Efa ela no niandrasana izao. Hisaorana ny tomponandraikitra satria mendrika hisitraka hazavana ny tokatrano tsirairay. Izahay dia anisan’ny niandry ny jiro mora satria iaraha-mahafantatra fa ela vao mahatafiditra jiro jirama, eo ireo fikarakarana taratasy, ny fiandrasana ny valiny sy ny fametrahana azy, eo ihany koa ny lafiny ara-bola, ka ny jiro mora anisan’ny manamora sy mandamina anay » hoy i Ony, mponina ao Andranovelona.
Anisan’ny nahaliana ny mponina ity tolotra jiro mora ity. Misy anefa ireo fepetra nahafahana nisitraka izany. Marihina moa fa misy ny lisitra ho an’ireo izay misitraka izany, izay afaka jerena sy hamarinina eny amin’ny fokontany.
