ActualitésTsidika

Mahatsinjo Alasora : Ilay toerana nisy ny tsena voalohany teto Imerina

Alasora dia Kaominina iray ao anatin’ny Distrikan’Antananarivo Avaradrano, manana fokontany roam-polo izy ary isan’izany ny fokontany Mahatsinjo izay tanàna iray kelikely fa manana ny tantarany sy ny maha izy azy.

Nitambatra tamin’ny fokontanin’Ambohidrazaka sy Ambodivoanjo izy tamin’ny Repoblika voalohany fa tany amin’ny taona 1975 tany ho any vao lasa fokontany mahaleo tena i Mahatsinjo. Na dia isan’ireo Kaominina ao avaradrano akaiky ny renivohitra indrindra aza Alasora dia manana fokontany kely ambanivohitra ihany izy ary ahitàna olona mpamboly sy mpiompy maro ao an-tanàna.

Raha vao miditra ny tanànan’ny Mahatsinjo dia mahita tsangam-bato lehibe iray izay, antampon-kavoana izy io ary ahatazanàna ny tanànan’Antananarivo rehetra mhintsy, hoy ny fitantaran’i Rado mponina ao an-toerana, « Tamin’ny andron’ny faham-panjaka no niforonan’ity tanàna ity izany hoe tamin’ny andron’Andriamanelo, nisy ny fifamaliana teo amin’Andriamanelo sy Andriamanintany tamin’izany fotoana ary lasa nitsoaka nianavaratra ny zanak’andriana iray ary rehefa lasa izy dia nalahelo azy ny Ray aman-dReniny ka tonga Andriamanelo nikaroka io Zaza io, raha ny fantatra mantsy dia tany akaikin’Alasora tany ho any nitsoaka io zanak’andriana io. Zanak’andriamanelo izy io, tsy afaka niampitàna ny lalana npoho ny rano ka nandefa iraka ny mpanjaka hiampita ny rano sy hitady ny zanany ary hita ihany ilay zaza, nanakeo amin’ny tsangam-bato eo Mahatsinjo izy ary teo no nitazanany ny toerana nisy ny zanany “Imahatsinjo an-janako” no anaran’ny tanàna fahiny fa novaina ho “Mahatsinjo” izany taty aoriana ».

Teo amin’io tsangam-bato io ihany koa no fanaovana joro na famonoana omby fahiny, ary ariana eo atsimony eo ny taolan’ny biby vonoina rehefa ny joro. Mariky ny fandresena koa anefa dia misy vato iray tamin’ny andron’ny Andriamasinavalona eo Mahatsinjo eo, rehefa avy miady avy any amin’ny faritra antsinana izany hoe avy any Moramanga any Andraiamasinavalona dia manamarika ny fandreseny eo amin’io vato io.

Araka ny fantatra dia teo Mahatsinjo ihany koa no nisy ny tsena vaovao tamin’ny andron’ny faha mpankjaka teto Imerina, teo Alasora. Nisy fomba fanao fahiny hoan’ireo olona tsy niteraka ka maniry zanaka teo amin’io Vato eo Mahatsinjo io.

Rehefa miditra ny tanànan’ny Mahatsinjo dia mahita ny tsangam-baton’Andriatsiorinolona, toerana famorina olona tamin’ny andro fahiny izy io, indrindra ireo vatan-dehilahy. Rhefa hanoha-drano any Andriambato ny vahoakan’Alasora dia eo no fiantsoan’i Andriatsiorinolona ireo vatan-dehilahy rehetra, ny renirano manondraka iny lemak’Alasora iny no tohanana tamin’izany fotoana. Tsy lalovan’alika na kisoa io vato io fahiny fa amizao kosa efa tsy misy an’izany intsony, ny tanjon’ny mpitantana ny tanàna dia ny hamerina ny fomba sy ny vakoka ao an-tanàna indray.

Manana ny mampiavaka azy izy na dia hoe fokontany kely iray aza, manana tantara sy vakoka maro koa, ahitàna ny dian-tananan’ireo mpanjaka sy andriana maro teto Imerina. Ny tena zava-dehibe ho an’ny firenena iray di any fanànana vakoka, harem-pirenena lehibe tokoa izy ireny ka tsara raha kajiana sy trandrahana aza ireo tsy mbola hita.

Tanàna azo tsidihana toy ny toerana rehetra Mahatsinjo, ary maro ny tetik’asa sy foto-drafitr’asa azo atsangana ao an-toerana ka mety hitarika faharisihana ho an’ireo mponina ho liana amin’ny zava-baovao koa izany.

Laisser un commentaire