Kolontsaina: Ny “Dina” teo amin’ny malagasy
Ny dina dia rafitra napetraka teo amin’ny fokonolona, efa nisy hatramin’ny fahagolan-tany. Saika nampiasa azy io avokoa ireo faritra manerana ny nosy nentina nandrindrana sy nifehy ny fiaraha-monina. Natao am-bava na an-tsoratra ny dina, ary ifanarahan’ireo fokonolona sy ny vondrona ao anatin’ny fokontany iray. Misy ny fanaovan-tsonia raha an-tsoratra izy.
“Maro ary tsy voatanisa ny maha zava-dehibe ny fisian’ny Dina, indrindra ny fantraikana eo amin’ny fiaraha-monina. Samy manana ny mampiavaka azy ny isam-paritra noho ny fomban-tany tsy mitovy saingy ny tanjona dia ny fisian’ny filaminana sy ny fandriam-pahalemana eny amin’ny fiaraha-monina, indrindra ny fampanjakana ny rariny sy ny hitsiny ary ny marina” hoy I Mahefa, mpianatra momba ny fiaraha-monina.
“Zava-dehibe ary mandaitra tokoa ny dina. Mampandray anjara ny olom-pirenena amin’ireo adidy sy andraikitra manandrify azy eny anivon’ny fiaraha-monina misy azy. Ohatra, ny fandraisana anjara amin’ny raharaham-pokonolona, tsy maintsy misy ny dina omena ireo tsy manao ny adidiny” hoy ireo tomponandraikitra amin’ny fokontany ao Masindray.
Nentin-drazana ny dina, fitambarana fitsipika izay noforonana avy amin’ny hevitry ny tsirairay. Manao ahoana raha tohizana eny anivon’ny fiaraha-monina ankehiny ity rafitra ity? Mety ho vahaolana hampalefaka ny tsy fahandriam-pahalemana ve?
