PolitiqueTatitra

Ukraine : Mpilatsaka an-tsitrapo frantsay roa maty nandritra ny fifandonana tamin’ny Russie

Mpilatsaka an-tsitrapo, mizaka ny zo-pirenena frantsay roa no namoy ny ainy vokatry ny fitifirana nataon’ny tafika Rosianina, tao Beryslav, akaikin’i Kherson any atsimon’i Ukraine, ny alakamisy teo. Ankoatra azy ireo, mpilatsaka an-tsitrapo vahiny hafa ihany koa no namoy ny ainy sy naratra mafy vokatr’izany fanafihana izany hatrany. Taorian’izay, nanao fanambarana ny avy amin’ny polisy nasionaly Okrainianina, ny hanokatra fanadihadiana manoloana ity tranga fitifirana mpilatsaka an-tsitrapo ity, noho ny fanitsakitsahana ny lalàna sy ny fomba an’ady nataon’ireo tafika rosianina. Marihina fa ireo naratra sy namoy ny ainy rehetra dia mpilatsaka an-tsitrapo avokoa no tonga tao Kherson.

Laisser un commentaire