Ny ravintsara : Misy voka-tsoa maro ny fampiasana azy
Ahitana voka-tsoa maro ny ravintsara. Manana fahafahana miady amin’ny mikraoba izy ka manasitrana ny fery. Miady amin’ny homamiadana sy ny diabeta ihany koa izy ary tena tsara hoa’ny taovam-pandevonan-kanina.
Mampatanjaka ny hery fiarovana anatin’ny vatana ny ravintsara. Ny singa ao anatin’izy ity dia miady ami’nny karazana mikraoba sy otrikaretina samihafa. Ny ravintsara dia tafiditra ao anatin’ireo zava-maniry ahitana “antioxidant” betsaka indrindra. Izay no mahatonga ny ravintsara miaro amin’ny mikraoba.
Noho izy manana fahafahana middy amin’ny mikraoba dia manasitrana ny fery ao anatin’ny fotoana fohy ny ravintsara. Misoroka ny mety ho fihitaran’izany ihany koa ity zava-maniry iray ity ary miaro amin’ny “infections”. Manampy amin’ny fahasitranan’ny fery aingana izy noho izany.
Voka-pikarohana maromaro no efa nanamarina fa manampy be dia be ny vatana hiady amin’ny homamiadana ny ravintsara ary manampy amin’ny fanasitranana ny homamiadan’ny nono ihany koa.
Manampy ireo diabetika ihany koa ny zava-maniry ravintsara. Mampidina ny tahan’ny siramamy sy ny kôlesterola ao anatin’ny vatana ny ravintsara. Ankoatra izay dia voaporofo ihany koa fa misoroka ny diabeta izy itony.
Manamora ny fisian’ny taovam-pandevonan-kanina ny ravintsara. Ankoatra izay dia manampy amin’ny fivalanan-drano ihany koa izy. Amin’izay fotoana izay dia mamoaka ny mikraoba rehetra ao anatin’ny vatana izy.
Manasitrana ny karazana fikorontanan’ny taovam-pandevonan-kanina ihany koa ny ravintsara. Manal any rivotra ao anatin’ny kibo izy, manasitrana ny fivalanana ary tena mandaitra raha sendra mitohana. Ankoatra izay dia mampitony ny aretim-bavony ny ravintsara ary manampy amin’ny fitrohan’ny vatana ireo otrik’aina ilainy.
Manapoizina ny ati-doha ny menaka manitra azo avy amin’ny taho sy ny fakan’ny ravintsara ka tsy tsara ampiasaina.
Fenohasina Ratsimamitaka
